Dépêches

Freddy : Voasokajy ho rivo-doza ela velona indrindra

Dépêche 10 mars, 11h, Taorian’ilay Typhon John izay naharitra 31 andro dia nandresy izany “record” izany ity rivo-doza Freddy ity. Ny 6 febroary lasa teo izy ity no nahazo anarana tao amin’ny The Australian Bureau of Meterorology ary hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy levona izay efa nahafeno 33 andro. Araka izany dia voasokajy ho rivo-doza ela velona indrindra maneran-tany hatramin’izao ity rivo-doza ity. Miaraka amin’izany dia voasokajy ho mahery vaika ihany koa izy ity izay rah any tatitra voaray farany teo dia olona 10 amin’izao fotoana izao no maty vokatr’izany.

Laisser un commentaire