ActualitésTatitra

Canada : Vehivavy iray no nitsatok’antsy ny zanany rehefa avy nandray zava-mahadomelina

Nanomboka ny alatsinainy teo ao amin’ny fitsarana tao Québec ny fitsarana an’i Stéphanie Brossoit, izay namono ny zanany 6 taona. Tao Montréal no niseho io tranga io ny volana jolay 2020 teo. Ny marain’io andro io dia nandray pilina « speed » io renim-pianakaviana io, ny harivaka kosa dia nihinana « cannabis », « GHB » ary « antipsychotique » io vehivavy io.

Rehefa tonga ny alina dia nanomboka nisavoritaka ny sain’io vehivavy io, nahatsiaro tena eo ambavahoan’ny fahafatesana izy raha ny fanazavany ary nahare feo nibitsika azy mba hamonona an’i Maélie zanany raha te ho avotra. Manoloana izany dia naka antsy roa i Stéphanie Brossoit, niditra tao an’efitr’ilay zaza 6 taona ary nanenjika azy eran’ny trano. Niantso vonjy ilay zaza saingy nandrapiantson’ireo mpiray vodirindrina ny manam-pahefana dia efa voatsatok’antsy in-80 ilay zazavavy kely.

Mba hialana ny fanamelohana higadra mandrapahafaty kosa dia niaiky heloka i Stéphanie Brossoit. Heverina fa higadra eo amin’ny 10 taona eo kosa nefa izy raha ny fanazavana. Ny 23 martsa izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ny raharaha.

Laisser un commentaire