ActualitésTsidika

Barea A: Hanomboka ny 16 martsa izao ny fampivondronana ireo ekipa efa vonona

Hanomboka ny 16 martsa izao ny fampivondronana voalohany ireo Barea A izay handrafitra ny ekipa amin’ny fihaonana amin’ny Fauves du Bas-Oubangi avy ao Centrafrique. Ireo mpilalao mpila ravinahitra telo sy ireo mpilalao avy eto an-toerana miisa 10 no hisantatra izany.

“Fotoana iray hahafahana sahady manomana ireo ekipa miisa 13 ireo io. Avy amin’ny fifampiresahana tamin’ny CFEM no nahafahana manatanteraka izao fampivondronana izao satria miara-mitontona amin’ny lalao izay tokony mbola hotanterahin’ny mpilalao isaky ny kliobany tsirairay ity fotoana ity. Araka ziany dia tsy maintsy mamela malalaka ireo ekipa aho amin’ny lalao izay hataony amin’ny ekipany avy”, hoy I Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea A.

“Hitako lesoka hatrany ny fampivondronana tsy hampiarahana satria lasa tsy misy “cohesion” amin’ireo mpilalao. Mila miaraka mandritra ny fotoana elaela vao misy fifandraisana tsara io zavatra hatao io kanefa moa izay eo aloha no hampiomanina satria efa samy manao ny ezaka any amin’ny ekipany tsirairay avy any ny mpilalao. Mila dinihina ihany anefa izay fomba rehetra tokony hampanjary io fampivondronana io rah ate hahazo vokatra tsara hatrany”, hoy I Fidy, mpankafy baolina kitra Malagasy.

Efa miezaka ny mapanazatra sy ireo mpilalao rehetra ka tsy tokony hambaniana intsony ny sain’ireo mpilalao ireo fa tokony hotohanana hatrany izay marihina fa hiady ny toerana hiatrehana ny CAN indray izy ireo amin’ity volana martsa ity. Hahato ny 23 martsa izao eo Mahamasina ny lalao mandroso rah any 27 martsa koa ny lalao miverina izay mety hatao ao amin’ny Kianja Douala ao Cameroun.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire