Opération Harato: Jiolahy miisa 4 no lavo tao Morarano Chrome
Dépêche 07 mars, 13h, Jiolahy miisa 4 no lavon’ny mpitandro filaminana tao Morarano Chrome izay tafiditra indrindra tao anatin’ny “operation Harato” izay tanterahina any amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny amin’izao fotoana izao. Jiolahy roa hafa ihany koa tao Amparafaravola. Raha tsiahivina dia ady amin’ny fakana an-keriny izay miseho any an-toerana amin’izao fotoana izao ny “operation Harato”. Ao anatin’izany “operation Harato” izany dia miisa 300 lahy ireo miaramila no nalefan’ny fitondrampanjakana hampandry tany sy hamongotra ny asan-jiolahy sy ny raharaha kidnapping izay nampitaraina ny vahoaka any an-toerana.
