ActualitésTsidika

 Fitaterana an-dalamby: Harenina ao anatin’ny fotoana fohy ny zotra FCE

Efa tamin’ny volana desambra teo no efa tokony niverina niasa ity zota an-dalamby mampitohy an’ny Fianarantsoa amin’ny Côte Est ity. Noho ny olana teo anivon’ireo mpiasa anefa dia mbola tsy vita ny fanarenana. Nanolotra vahaolana tamin’izany ny Ministera tompo’andraikitra ka foana ny fitokonana ary harenina anatin’ny fotoana fohy ny zotra FCE.

“Horaisin’ny minisitera an-tanana ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa roa volana ho fitsinjovana azy ireo sy ho fanampiana ny orinasa. Ho raisin’ny fanjakana an-tanana koa ny fandoavana amin’ny ampahany ny vola latsak’emboka amin’ny fisotroan-dronona. Izany asa rehetra izany dia vahaolana vonjimaika ihany aloha ho fanarenana anaty fotoana haingana ity asa ity satria tokony efa hiasa ity zotrta ity hanamoerana ny famoahana entana”, hoy ny Minisitry Fitaterana sy ny Famantarana ny toer’andro.

“Tsy maintsy harenina mùalaky ity zotra ity mba hahafahana mampitombo ny vola miditra na ho an’ireo mpiasa na ho an’ny faritra. Tombontsoa ho an’ny vahoaka rehetra izany ka ilaina ny fifanohanana hahafahana mampandroso ny asa”, hoy ny Governoran’ny faritra Matsiatra Ambony.

Taorian’ny fidinana ifotony izay nataon’ny Minisitra tany an-toerana dia tsy maintsy hatsangana ny komity fanarenana ny FCE. Sakana ny tsy fahatomombanan’ireo lohamasinina sy ny milina fikojakojana ny lalamby misy ao an-toerana ka natao ny fitiliana ara-teknika ahafahana mandroso amin’ny fampitaovana ka hirosoana amin’ny fampandehanana koa ny zotra FCE anatin’ny fotoana fohy. Noho izany ny mpisehatra rehetra dia samy tokony handray ny andraikiny amin’ny maha asa laharam-pahamehana sy maika izany asa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire