France : Maherin’ny 600 000 isa ny mpitsidika ny tsenaben’ny fambolena tao Paris
Notontosaina ny 25 febroary hatramin’ny 5 martsa teo tao Paris ny tsenaben’ny fambolena tamin’ity taona 2023 ity. 615 204 ny mpitsidika izany ary 40 000 isa ireo manam-pahaizana nifamezivezy tao an-toerana raha ny tatitry ny filohan’ny SIA, Jean-Luc Poulain. Fahombiazana tanteraka izany saingy tsy mbola « record » raha ny fanamafisan’izy ireo.
Raha tsiahivina mantsy dia ny taona 2014 no isa « record » ny mpitsidiky ny tsenaben’ny fambolena. Nahatratra 700 000 mahery ny isan’izy ireo tamin’izany. Hisy kosa ny fanatsarana amin’ny andiany manaraka eo amin’ny lafin’ny tapakila hoy i Jean-Luc Poulain. Tsiahivina fa nahazo medaly volafotsy noho ny vokatra lavanila i Mayotte nandritra io hetsika io.
