ActualitésTatitra

Mayotte : Nitondra ny medaly volafoty nody i Foundi Madi sy ny lavaniliny

Fanindroany i Mayotte no nahazo ny medaly volafotsy ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena. Raha tsiahivina dia nanomboka ny 25 febroary ary nifarana ny 5 martsa teo io hetsika io izay notontosaina tao Paris.

Tamin’ny taon-dasa dia efa nahazo marim-pankasitrahana i Mayotte. Tamin’ity taona ity ihany koa dia mbola nitondra nody ny medaly volafotsy tamin’ny alalan’ny lavanila novokarin’i Foundi Madi tao Tsingoni indray i Mayotte. Isany ireo olona nanavotra ny lavanila tao Mayotte tsy hanjavona io lehilahy 64 taona io. Lasa fotoana ankalazaina isaky isan-taona mandritra ny fitsirin’ny « gousses de vanilla » voalohany ao Mayotte mihitsy izany fanavotana ny fambolena lavanila izany.

Laisser un commentaire