Alasora: Nanampy ny kaominina amin’ny fikojana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny Jirama
Omaly no nirotsaka an-tsehatra nanampy ny kaominina Alasora, amin’ny asa fikojana ireo jiro napetraka ao an-toerana, mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro (éclairage public) ny avy ao amin’ny orinasa Jirama.
“Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fampandehanana sy fanomezana lanja ireo filàn’ny mponina amin’ny andavana’andro ka nisian’izao fifanampiana eo amin’ny orinasa jirama izao. Hentanina kosa anefa ny mponina mba hampandre hatrany ny kaominina raha misy ny tsy fahatomombanana mahakasika ireo jiro ireo” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
“Tena mety tokoa ny asa fikojana tahaka izao satria maro tokoa ireo jiro napetaka eny amin’ny fokontany efa nisy nangalatra sy tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony. Izany tsy noho ny fisian’ny mpnagalatra ihany fa teo koa vokatry ny rivo-doza” hoy I Mino, mponina ao Alasora.
Anisan’ny zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny fananana hazavana. Rehefa misy tokoa ny hazavana dia hieny ny asa ratsy, ny tsy fandriam-pahalemana. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientana ho fikojana azy ireny mba haharitra.
Manitra R.
