Sosialy : Sehatra miisa 6 no hampiroboroboana ary vola mitentina 3 114 tapitrisa USD no hampiasaina
Miisa 6 ireo sehatra entina hanatrarana ny tanjona mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny faharetan’ny Madagasikara amin’ny fampiakarana ny ekonomia. Ny tena tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ilay hiraisan’ny Firenena Afrikanina rehetra mahakasika ny famongorana ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana be loatra.
« Nisy ny fivoriana izay natrehan’ireo Filoham-panjakana rehetra izay natao tao Dakar mahakasika ny fanafoanana ny hanoanana be loatrta, nandray anjara tamin’izany i Madagasikara ka izy io no mamaritra ny asa tsy maintsy hataon’ny firenena tsirairay mba hiantohana ny fanjarian-tsakafo. Sehatra efatra amin’ny fambolena vokatra dia ny vary, ny katsaka, ny mangahazo ary ny menaka sy sehatra roa amin’ny fiompiana izay biby fiompy madinika sy omby no hataon’ny Madagasikara amin’izany », hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
« Ny fifanarahana tamin’ny Madagasikara nandritra io fivoriana io dia efa mipetraka tsara ny vola entina hamatsiana ny tetik’asa izay mitentina 3 114 tapitrisa USD. Haharitra folo taona ny fifanarahana ary ho an’ny dimy taona voalohany io teti-bola io ary ny 2 125 tapitrisa USD dia mbola andalam-pikarohana ihany koa », hoy ny avy ao amin’ny BAD, izay mpamatsy vola.
Miaraka amin’izany rehetra izany anefa i Madagasikara dia mikasa ny hampiasa vola farafahakeliny 10% amin’ny teti-bolany amin’ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary jono mandritra ny dimy taona manaraka. Samy tompon’andraikitrta noho izany ny tsirairay raha te hahazo vokatra tsara. Sehatra mbola azo trandrahina tsara ireo nosafidiana ireo, ka ny tsirairay dia afaka samy mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona.
Miora Raharisolo
