Fahasalamana : Mila manana fahazoan-dalana avy amin’ny Ministera ireo toeram-panofanana ho mpitsabo
Sarobidy ny fahasalamana. Izany no antony hianarana mandritra ny fotoana maharitra io sampana io, satria miantoka ny aina io. Mila mahazo alalana avy amin’ny Ministera ireo mpisehatra rehetra maniry hampiofana mahakasika ny fahasalamana, hahafahana manaja ny fepetra rehetra ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana.
« Mila manana izany fahazoan-dalàna izany ny olmona rehetra na dia tsy amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany aza. Maha matihanina izany sady hiarovana ny kalitaon’ny zavatra iray. Amin’ny tontolon’ny fahasalamana dia zava-dehibe izany satria ny ain’olona no kirakiraina amin’izany ka ireo fepetra takiana rehetra dia tokony harahina avy amin’ny Ministera avokoa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Raha tsiahivina dia ny Fitrama no toeram-panofanana vao nakatona indray noho izany antony rehetra izany. « Tsy ny Fitrama ihany fa mbola maro ireo toeram-pitsaboana tsy nahazo alalana izay handraisana fepetra toy ireo manao ny resaka Bioscane », hoy hatrany ny fanazavana.
« Ankoatra ny toeram-pampiofanana tsy nahazo alalana dia eo ihany koa ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna. Tokony arahina maso ireny rehetra ireny satria anisan’ny mitarika aretina hafa. Tokony foanana ihany koa ny fivarotana fanafody amin’ny “pharmacie” kanefa tsy manana “ordonnance” sy ny fametrahana fanontaniana fotsiny amin’ireo mpivarotra fanafody », hoy i Alexis, mpitsabo.
Efa handraisana andraikitra amin’izao fotoana izao ireo toeram-pitsaboana tsy manana fahazoan-dalana rehetra sy ireo toeram-pitsaboana nentim-paharazana isan-karazany ka tsy manaraka ny lalàna sy ny rafitra napetraka.
Miora Raharisolo
