ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voaheloka am-ponja manadrapahafatiny ilay vehivavy nandoro ny zanany 23 volana

Nandalo teo alohan’ny fitsarana noho ny famonoana ny zanany vao 23 taona monja i Nakira Griner. Raha tsiahivina dia ny 16 febroary 2019 no niseho io tranga io. Nisefosefo io vehivavy io niditra tao amin’ny biraon’ny polisy tao Bridgeton, tao New Jersey sady nilaza fa nisy naka an-keriny ny zanany.

Nanazava io vehivavy izay 24 taona tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga io fa sendra nanosika ny zanany tao anaty « poussette » izy no nisy lehilahy nanosika azy ary naka an-keriny ny zanany. Manoloana izany dia nisy ny rafi-pikarohana lehilbe nikarohana an’ilay zaza. Nampiahiahy ireo manam-pahefana ihany nefa ny tantara nolazain’i Nakira Griner ka nanao fikarohana tao amin’ny tranon’ity farany izy ireo.

Hita tao amin’ny anaty fitoeram-pakon’io vehivavy io tokoa ny ambin’ny razan’ilay zazakely efa norasarasaina sy nodorana. Niaiky i Nakira Griner taorin’izany fa tsy nety nisakafo sy nihaino azy ilay zaza ka nokapohany, nianjera tampoka teo amin’ny tohatra nefa ilay zaza ka namoy ny ainy. Nanapa-kevitra i Nakira Griner noho izany fa ho hafeniny ny razana. Voheloka higadra mandra-pahafatiny kosa io vehivavy io taorian’ny fitsarana azy ny volana janoary teo.

Laisser un commentaire