ActualitésTsidika

Loza voajanahary : Tokony efa mianatra mizatra amin’ny fiatrehana ny rivo-doza i Madagasikara

Amin’ireo loza voajanahary rehetra maneran-tany dia ny rivo-doza no matetika mamely an’ny Madagasikara, ary azo lazaina ho marefo mihitsy izy amin’izany. Mampitondra takaitra betsaka hatrany ny fandalovany, toy ny rivo-doza Freddy farany teo izay nitondra takaitra betsaka ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany iny.

« Isan-taona tsy maintsy misy rivo-doza rehefa fahavaratra toy izao; farafahakeliny dia iray isan-taona izany. Miaraka amin’izany anefa dia tokony mieriteritra ny hanorenana ho amin’ny tsara kokoa sy hahatakatra bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny mponina ary indrindra ny ankizy ny tsirairay. Izany no ahafahana mandray lesona mba tsy hahafahana mifampiaro na miaro ny tenany”, hoy avy ao amin’ny Unicef.

« Na dia loza voajanahary aza io dia misy ihany ny fiomanana azo atao. Tokony hampianaraina fahaiza-miaina ny tsirairay, ohatra hoe tsy hanary ny fako sy ny rano maloto anaty tatatra hialana amin’ilay fiakaran’ny rano. Ny foto-drafitr’asa tokony hatao matanjaka afaka hitoeran’ny traboina. Maro ny hevitra azo raisina fa anjaran’ny fitondram-panjakana ny mandray ny fanapahan-kevitra », hoy i Niaina, mpampianatra mahakasika ny BTP.

Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza, izany no teny filamatra eo anivon’ny BNGRC. Tokony hiaina izany ny tsirairay hahafahana miaro tena. Tsara fiomanana eto dia midika fa miomana manomboka aty amin’ny vanin’andron’ny ririnina mahakasika ny fitondran-tena rehetra. Ny tsirairay mihitsy no tokony hanana izany toe-tsaina izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire