Ambohimanga rova : Mirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana
Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny fokontany Soavinimerina sy ny manodidina, ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, amin’izao fotoana izao. Toka-trano iray ao an-toerana no niharan’ny halatra teo amin’ireo biby fiompy tamin’ny faran’ny herinandro teo raha ny voalaza.
«Tena mijaly ny mponina, mandry tsy lavo loha amin’ny afitsoky ny mpanao ratsy. Tao anatin’ny herinandro izao tena re nisesisesy ny vaky trano sy halatra biby fiompy, tsy misy hiain’ny mpiompy intsony fa dia lasa avokoa na akoho, ny gisa, ny vorontsiloza » hoy i Bernard, mponina ao Soavinimerina, kaominina Ambohimanga rova.
« Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao ety amin’ny fokontany sy ny manodidina ety. Tsy mipetra-potsiny ny tomponandraikitra manoloana izany fa hisy ny fandraisana andraikitra sy fifampiresahana hiarahana amin’ny mpitandro ny filaminana entina mandamina izany » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny fokontany.
Miteraka fati-antoka goavana ho an’ny mponina, indrindra ny mpiompy ny tranga tahaka izao. Ny fiompiana izay foto-piveloman’izy ireo ary nihariana nandritra ny fotoana maro. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny araka izany ny mponina handray fepetra manoloana izao.
Manitra R.
