ActualitésTatitra

France : Hisy ny diabe fisaonana an’i Eva ao Clermont-Ferrand rahampitso

Tovovavy mpianatra 20 taona i Eva. Hita faty ny 24 janoary teo tao an-tranony tao Lempdes, Puy-de-Dôme izy. Ny mpiray vodirindrana taminy no nampandrehy ny manam-pahefana rehefa nahita lehilahy nivoaka ny tranony niaraka tamin’ny basy entina mihiza.

Rehefa tonga tao an-toerana kosa ireo polisy dia nahita lehilahy efatra nitsoaka. Nilanja basy ny iray tamin’ireo saingy natsipiny izany rehefa nahatazana ireo manam-pahefana izy. Voasambotra ny iray tamin’ireo lehilahy ireo izay nitonona ho olotiany ary niaiky avy hatrany fa avy nitifitra basy an’i Eva.

Rehefa niditra tao amin’ny trano kosa ireo polisy dia ny vata-mangatsiakan’ity farany voatifitra teo amin’ny lohany no novantanan’izy ireo. Vetivety kosa dia fantatra ny momban’ireo lehilahy telo hafa nitsoaka saingy fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa tsy tao amin’ny tranon’i Eva izy ireo tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.

Hisy kosa ny diabe fisaonana an’i Eva rahampitso 25 febroary raha ny fanazavana izay atao ao Clermont-Ferrand manomboka amin’ny 3 ora hariva.

Laisser un commentaire