ActualitésTatitra

Comores : Tontosaina rahampitso ny lalao manasa-dalan’ny isam-paritry ny CDC 2023

Mandritran’ity faran’ny herinandro ity no hotontosaina ny lalao manasa-dalana isam-paritry ny fiadiana ho tompon-dakan’i Comores andiany faha-38 eo amin’ny taranja baolina kitra. Ho fantatra mandritra io fotoana io ihany koa ireo roa hilalao mandritra fifanitsanana nasionaly izay hotontosaina ny 1 hatramin’ny 10 jona izao.

Hifanindry ireo lalao roa ny fifaninana isam-paritra ireo, samy hotontosaina rahampitso sabotsy ao Mwali sy ao Ngazidja izany. Ny Amical Club sy ny FC Chouani ary ny Belle Lumière sy ny FCN Espoir kosa no hifanandrina amin’izany. Ho an’ny alahady kosa dia ny Fomboni FC sy ny Silex FC ary ny Djabal FC sy ny Alizé Fort no hifaninana. Ho an’ny fiandohan’ny volana martsa kosa dia AS Singani sy ny Steal Nouvel           no hifanandrina ary hofaranan’ny Simba Club sy ny Ngazi Sport izany ny 2 martsa.

Samy hiady ho an’ny lalao famaranana fa hiady ho an’ny lalao nasionaly ihany koa ireo ekipa ireo.

Laisser un commentaire