BNGRC : Nahazo fampitaovana avy amin’ny MNDPT hiatrehana ny rivo-doza
Dépêche 20 février, 11h, Nanolotra fitaovana mahakasika ny fifandraisana ho an’ny BNGRC ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifanderaisan-davitra. Kit Vsat (Connexion via-stellite) miisa 5 no natolotra tamin’izany, ahafahana miomana sahady amin’ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy izay mahery vaika, ary efa mananontanona an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ilaina indrindra izany fitaovana izany ahafahana miomana amin’ny mety ho fahatapahan’ny fifandraisana noho ny fihavian’ny rivo-doza. Haparitaka anio any Mahanoro, Mananjary ary Manakara ny telo raha hitiliana ny fizotran’ny rivo-doza kosa ny roa ambiny.
