ActualitésTatitra

Grande-Bretagne : Tsy mifandray amin’ny Fianakaviany intsony i Meghan Markle sy ny Printsy Harry.

Niteraka resabe tao “Royaume Unis” sy manerana izao tontolo izao ny resaka nataon’Izy mivady ireto tao amina fandaharana iray. Momban’ny filazana ny maha-panavakava-bolon-koditra ny fianakavian’ny Printsy Harry. Nisy tsy fifankazahoana teo amin’ny rain’ny Harry sy ny vadiny Meghan. Mandeha ihany koa ny feo araka ny nambaran’I Meghan ny amin’ny fametrahan’ny tao amin’ny Lapa olana sy ahiahy amin’izay mety ho volon-koditry ny zanak’izy roa ireto tamin’ny niterahany ny zanany voalohany. Niteraka ahiahy teo amin’izy mivady ny tsy hananan’ny zanany fiarovana ny zanany amin’ny tsy ahazahoany laharana maha prinsty azy sy ny tsy fananany zo tahaka ny ankizy ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka ka anton’izao fanambarana izao.Mahatsiaro ho voahilika tanteraka izy roa ireto raha nanambara ny fiainany fony tao an-dapa. Natsikafony tamin’io fotoana io avokoa  hatramin’ny tsy fanilihan’ny tao amin’ny lapa azy nandritra ny fotoana nitondrany vohoka, teo koa ny fangatahany fanampiana izay tsy nahazoany valiny, nanomboka ny taona 2020 mantsy no efa tsy nahazo fanampiana avy ao amin’ny fianakaviana mpanjaka intsony izy roa ireto.

Nambarany tao ihany koa fa eo am-piandrasana vahiny kely indray ireto fianakavian’ny mpanjakan’ny Royaume unis teo aloha ireto amin’izao.

Laisser un commentaire