Anjeva: Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny Cnaps
Tontosa omaly alarobia ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Anjeva gara sy ny orinasa Cnaps. Izany fiaraha-miasa izany izay miompana indrindra amin’ny fahadiovana sy fidiovana ary ny fikajiana ny tontolo iainana, raha ny voalaza.
“Manomboka eto dia isan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina ny Cnaps amin’ny tantsoroka ho fampandrosoana ny tanàna. Haharitra telo taona azo avaozina ny fiaraha-miasa ary miompana amin’ny lafiny fahadiovana sy fidiovana ary ara-tontolo iainana izany” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Samy resy lahatra ny roa tonta fa paik’ady mahomby eo amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony sy ny sehatra tsy miankina. Efa nisy moa ny fampitaovana natolotry ny mpiara-miombon’antoka enti-manatanteraka ireo voafaritra ao anatin’ny fifanarahana” hoy hatrany ny fanazavana nataon’ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
Raha tsiahivina, nisy ny fambolen-kazo izay niarahan’ny roa tonta nanatanteraka tao amin’ny kaominina, ny faran’ny herinandro teo, ho fisantarana izao fiaraha-miasa izao. Izany ihany koa moa izay mamaly ny filàna sy ny tombotsoan’ny vahoaka hatrany.
Manitra Ramanantsoa
