ActualitésTsidika

Fanampiana sosialy : Hijanona 15 andro ao Mahajanga ny « caravane médicale »

Ho fanampiana sy fanohanana ireo mponina sahirana indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso dia hijanona ao Mahajanga mandritra ny 15 andro ny « caravane médicale » izay avy any amin’iny faritra Ambato Boeny iny. Mampihanaka karazana valan’aretina sy mampihetsika aretina maro ny fiakaran’ny rano toy iny tamin’ny Cheneso iny ka izany indrindra no antony hanohizana ity hetsika ity ho 15 andro.

« Ahitana sampana manao ”échographie”, “radiologie”, fitiliana diabeta izy ity. Hapetraka ao koa ny sampan-draharaha hafa toy ny fitiliana ny homamiadanan’ny nono sy ny fanaovana solonify. Izany rehetra izany dia ho maimaim-poana avokoa ho tombontsoan’ny rehetra. Indrindra entina hanampiana ireo tena sahirana », hoy ny avy ao amin’ny Association Fitia, mpikarakara ny hetsika.

« Marina aloha fa ilaina ny vahaolana toy izao saingy isaky ny misy loza izany dia hanetsika ny mpiasan’ny fahasalamana toy izao hatrany izay hampiakatra ny filàna sy ny vola lany. Maninona raha atao izay hikarohana vahaolana maharitra ahafahana mampihatra izany isaky ny fotoan’ny olana toy izao. Ohatra ny fizarana karatra fitsaboana maimaim-poana ary fandoavana karazana latsak’emboka izay tsy hatao ampanerena » hoy i Patrick, mponina ao Tsararano Ambony.

Fanampiana ho an’ireo izay tena sahirana ity tolotra ity ary natao indrindra haharitra mandritra ny 15 andro. Fotoana iray fanararaotra hitiliana izay tsy tomombana rehetra. Mifanindra-dalana amin’izany dia nitondra tohana ara-tsosialy no anisan’ny anton-dian’ny filoha tany Mahajanga, taorian’ny tao Ambato Boeny. Notolorana fanampiana sakafo sy entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, toy ny vary sy menaka ary savony ny mponina traboina tany an-toerana. Nomena masomboly kosa ny tantsaha hanarenana faran’izay haingana ny fambolena simba nandritra izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire