ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nirotsaka an-tsehatra nitondra fanatsarana ny lalana eny Ambohitrarahaba ny lefitry ny kaominina sy ny filoham-pokontany

Nirotsaka an-tsehatra nitondra anjara biriky tamin’ny fanatsarana ny lalana eny amin’ny fokontany Ambohitrarahaba ny lefitry ny ben’ny tanàna sy ny filohan’ny fokontany ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Ezaka amin’ny fanatsarana, fanetsenana ireo lavadavaka amin’ny arabe no natao nandritra izany, araka ny voalaza.

“Rehefa mitovy fijery dia iray tanjona. Ny fahatsapana fa na dia izay fitaovana kely misy eo amin’ny tsirairay aza no ampiasaina dia efa fandraisana andrakitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ny tanàna, tsy hiandrasana ny hafa na ny tompon’andraikitra izay maro sahanina izany” hoy ny ben’ny tanàna lefitra ao an-toerana.

“Ny fahatsapa-tena no zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Ary ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’izany mba hahafahana manatratra ny tanjona iombonana, izay tokony himasoan’ny tomponandraikitra ary fitaratra ho an’ny manodidina” hoy I Vero, mponina ao Ambohirahaba.

Maro tokoa ireo fahasimbana hita amin’ny lalana eny anivon’ny fokontany amin’izao fotoana izao. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra araka izany vao afaka hitondra fanamboarana sy fampandrosoana fa ny finiavana sy ny fahatsapan-tena, indrindra ny fiaraha-mientana amin’ny fandraisana andraikitra no tena zava-dehibe.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire