ActualitésTsidika

Alasora: Nisy ny fanamboarana vonjimaika ireo lalana ratsy

Niroso tamin’ny fanamboarana ireo lalana nahitana fahasimbana ny avy ao amin’ny kaominina Alasora, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fiatohan’ny orana. Na izany aza anefa, mbola maro ireo lalana mila fanamborana sy fijerena eny ifotony, raha ny voalaza.

“Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanarenana sy ny fanamboarana ireo lalana simba, izay tena maro tokoa amin’izao fahavaratra izao. Ny tena olana tsy hahatontosana izany ho manaraka ny fenitra anefa, na dia efa atao aza ny ezaka, mbola marefo ny kitapom-bolan’ny kaominina ka tsy maharaka ny filàna amin’ny fanamboarana ny lalana ho vita tara na rari-vato” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa tsara ary mety ny fandraisana andraikitra tahaka izao kanefa tsy tokony hodiana tsy hita ireo amin’ny fokontany hafa, tena mampijaly ny mpianatra, ny mpandalo mivezivezy ny faharatsian’ny lalana” hoy I Maurice, mponina ao Alasora.

Anisan’ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ny fanamboarana foto-drafitr’asa sy ny fanarena isan-karazany ao anatin’ny kaominina. Miankina betsaka amin’ny fahazoaton’ny mponina mandoa hetra kosa anefa izany, satria ny vola arotsaky ny vahoaka no hahafahana mampiodina sy manangana foto-drafitr’asa ao anatin’ny kaominina

Manitra R.

Laisser un commentaire