ConseilCultureTsidika

Ihosy : Toerana fady ka tsy azon’ireo mpanjono trandrahana ireo ranovory

Tsy mbola hita ny marimaritra iraisana amin’ireo mponina ao amin’ny kaominina Ihosy, faritra Ihorombe, mikasika ny fitrandrahana ireo ranovory. Miteraka disadisa eo amin’ny samy mpanarato ity fitrandrahana ity hatramin’izao.

« Mbola eo am-pitadiavana ny marimaritra iraisana amin’ny mponina amin’ny fitrandrahana ireo ranovory izahay amin’izao. Lasa misy disadisa mantsy ny fitrandrahana » hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. « Efa nisy ihany ny dinika niarahana tamin’ny Prefektiora any an-toerana sy ny OMC, ny Talemparitry ny Mponina, ny Talem-paritry Jono sy ny Toekarena Manga ary ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra hikarohana ny vahaolana. Mbola hisy ny ny dinika iarahana amin’ireo olobe sy lonaky any an-toerana » hoy hatrany izy ireo.

Noho ny resaka « fady » no antony tsy haneken’izy ireo izany fitrandrahana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire