Maurice : Nampanantena sidina in-dimy isan-kerinandro ny Vistara manomboka ny 26 martsa izao
Nampanantena ny zotram-piaramanidina indianina, Vistara fa hanatanteraka sidina in-dimy isan-kerinandro avy any Mumbai makao Maurice izy ireo manomboka ny 26 martsa izao. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa mety mbola hampitomboana izany saingy mbola miankina amin’ny vahoaka mety ho liana amin’izany fifampitoizana izany.
Voalohany hatramin’ny taona 80 no hisy zotram-piaramanidina indianina hanatanteraka sidina makao Maurice hoy ny praiministra lefitra sy minisitry ny fizahan-tany tao an-toerana Steven Obeegadoo. Raha tsiahivina dia teraka avy tamin’ny fiaraha-miasan’ny vondrona Tata sy Singapour Airlines ny Vistara. Efa am-bolana maromaro izy ireo no nangataka io fahazon-dalana hiantsona ao Maurice io.
