ActualitésTatitra

Banky iraisam-pirenena: Omena fanampiana i Turquie sy Syrie

Nanao fanambarana ny banky iraisam-pirenena ny herinandro lasa teo fa hitondra fanampiana 1,78 miliara dollars ho an’i Turquie izy ireo manoloana ny horohorontany niseho tao an-toerana sy tao Syrie ny alatsinainy heriny teo. Raha tsiahivina dia efa mahatratra 20 000 mahery ny isan’ny namoy ny ainy nandritra izany loza voajanahary izany.

Avy amin’ny CERC ny 780 miliara dollars mandrafitra io vola fanampiana io raha ny fanazavan’ny filohan’ny banky iraisam-pirenena David Malpass. Hirotsaka avy hatrany amin’ireo niaram-boina kosa ny ankahamanoan’ny vola raha ny fanamafisany. Nilaza kosa ny teo anivon’ny OMS fa manahy krizy ara-pahasalamana izy ireo manoloana ny faharavan’ny foto-drafitrasa misahana izany maro.

Na izany aza dia efa nandefa mamonjy voina tao Turquie ny vondrona eropeana taorian’ny loza. Hita tao anatin’ity tranga ity kosa fa adino ary tsy misy miraharaha firy i Syrie izay voakasika betsaka tamin’ny loza ihany koa.

Laisser un commentaire