Famokarana : Niakatra avo enina heny ny tombony azo avy amin’ny sehatry ny jono makamba.
Dépêche 10 février, 14h, Niakatra hatramin’ny avo enina heny ny tombontsoa azo avy amin’ny famokarana ny makamba nanomboka ny taona 2020. Raha 2 075 258 499Ar izany tamin’ny 2020 dia nahatratra hatyramin’ny 13 081 494 646Ar izany ny taona 2022. Efa miomana amin’ny tsenan’ny 2023 indray ny Ministera sy ireo mpisehatra amin’izao fotoana izao ary vinvinaina ny hanondrana mihoatra ny isan-taona amin’ny kalitao tsara hatrany.
