ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Notohizana teny amin’ny EPP Ambohipiainana ny « cantine scolaire »

Teny amin’ny EPP Ambohipiainana indray no nanohizan’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny hetsika fizarana “cantine scolaire” ho an’ireo mpianatra ao an-toerana, tamin’ny talata teo. Fiaraha-miasan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo orinasa ary mpandraharaha isan-tsokajiny no nahafahana nanatanteraka ny hetsika, araka ny voalaza.

 “Zava-dehibe ho an’ny kaominina ny fanatanterahana ny hetsika fanohanana ny ankizy eny amin’ny ambaratonga fototra tahaka izao, indrindra fa  ny tosika ara-tsakafo. Hisaorana ireo mpiara-miombon’antoka, mpandraharaha hatrany amin’ny fiarahana manatontosa izany” hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.

“Anisan’ny zavatra mahafaly ny ankizy ny hetsika fanohanana tahaka izao. Mahatsiaro misy mpiahy izy ireo ary angatahana amin’ny tomponandraikitra mba hitohizan’ny ezaka hatrany mba hanomezana lanja ny fampianarana” hoy I Sahondra, mpampianatra.

Anisan’ny tosika ho an’ny fanabeazana ny fanatanterahana hetsika fanohanana ny sekoly tahaka izao. Tsy tokony hijanona amin’ny fampisakafoanana ny mpianatra ihany anefa izany fa tokony jerena avokoa ireo filàna mety amin’ny mpianatra rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire