Ambohimanga Rova : Mahazo vahana ny fampianarana ny taranja frantsay ao amin’ny lycée
Nanomboka niverina ny fampianarana tao amin’ny Lycée Ambohimanga Rova, ary niverina nanaraka izay ihany koa ny fahazotoann’ireo mpianatra sy mpampianatra ao an-toerana, indrindra amin’ny fianarana ny taranja frantsay. Ity farany izay nahazo vahana kokoa ao an-toerana noho ny fiaraha-miasa sy fandraisana andraikitr’ireo fikambanana misehatra amin’izany ao an-toerana.
« Mahafinaritra ny mahita ireo mpampianatra vahiny, izay mampianatra ny taranja frantsay sy anglisy, mandray anjara sy mitan-tsoroka ireo mpianatra ato amin’ny lycée. Manana tombony lehibe ny mpianatra satria tena manampy izy ireo ary mampianatra manome ny tsara ho an’ny ankizy » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny sekoly.
« Tena nahitana fahombiazana lehibe ireo fampianarana izy natolotry ny mpampianatra ny taranja frantsay. Nahaizana zavatra maro ary nitondra fiovana ho lasa sahy sy maneho hevitra, izay tena sarotra tamiko teo aloha » hoy i Mirana, mpianatra ao an-toerana.
Anisan’ny nahitana fivoarany haingana ny fahaizan’ny mpianatra ny teny frantsay tao an-toerana, raha ny voalaza hatrany. Ny fampianarana izay manazatra ireo mpianatra hiteny imasom-bahoaka ary mahafehy ny fanoratana izany ihany koa.
Manitra R.
