Ambohimangakely: Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Manambina
Nitrangana lozam-pifamoivoizana, teo Manambina, kaominina Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, fiara lehibe iray, mpitondra simenitra no tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ireo tsena amoron’arabe.
“Raha ny zava-misy aloha dia tsy fahatomombanana ara-teknika an’ilay kamiao mpitatitra simenitra no nahatonga ny loza. Ka izao, moto iray no voatsindry tao ambany tao ary maro ireo entana simba vokatry ny dona mafy” hoy I Tiana, tompona tsenam-barotra.
“Mila mailo mihitsy amin’izao fa maro ireo loza niseho tato ho ato. Teto moa izao tsy nisy nanam-po ny fiavian’ny loza. Tokony manara-maso ny fitaovana entiny, indrindra ny mpamily mba hisorohana ny loza tahaka izao, ny tsy manan-tsiny no mizaka ny vokany”hoy I Hery, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny fanentanana tokony atao ho an’ireo mpamily na ny mpitondra tongo-droa tokoa ny tsy hanaovana ambanin-javatra ny fanaovana ny fitsirihana ny fitaovana entina, hisorohana ny loza tahaka izao. Ny aina ramangatahiana, hoy ny fitenenana malagasy, ka mila tandrovina hatrany.
Manitra R.
