Etats-Unis : Zazalahy iray maty noho ny ny savik’omby
Sady fampisehoana no hetsika ara-panatanjahantena ny savik’omby na « rodeo ». Mitaingina omby ary mijanona eo amboniny mandritra ny segondra vitsivitsy no tanjon’izy io. Zazalahy iray 14 taona monja antsoina hoe Denim Bradshaw no nanatontosa ny savik’ombiny voalohany ny 28 janoary teo Caroline du Nord. Nianjera avy teny ambonin’ilay omby nefa izy ka namoy ny ainy ny ampitson’ny lalao.
Raha ny fantatra dia nitaraina narary tratra io zazalahy io taorian’ny fianjerany avy teny ambonin’ilay omby. Tsy nisy nieritreritra fa hamoy ny ainy noho ny savik’omby i Denim Bradshaw na dia fandraisany anjara voalohany aza izany hoy ny zokiny. Naneho fialan-tsiny tamin’ny fianakavian’ny maty kosa ilay orinasa nikarakara ny hetsika Rafter K Rodeo Company.
Tsy misy lalana mifehy kosa ve ny savik’omby no zaza tsy ampy taona no mandray anjara amin’izany ?
