ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Notokanana ny biraon’ny fokontany vaovao ao Amoronakona

Notontosaina tamin’ny herinandro teo ny fitokanana ny biraon’ny fokontany ao Amoronakona, kaominina Ambohimangakely. Ity birao ity izay nasiam-panavaozana sy fanatsarana amam-bolana lasa izay, raha ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka izay ataon’ny kaominina, izay hitondra fanatsarana hatrany ety amin’ny fokontany. Tao anatin’ny fanatanterahana izay fanavaozana sy fanatsarana izao moa dia nisy ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka Vimad nahafahana nitondra izao fiovana amin’izao biraon’ny fokontany izao, izay niampy fampitaovana ihany koa” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe ho an’ny ety anivon’ny fokontany ny fahavitan’izao birao vaovao izao, izay sady manome endrika no fitaratry ny asa vita. Hisaorana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina ny fikarakarana izany sy ny fiaraha-miasa nahafahana nahazo izay birao vaovao izao” hoy ny avy amin’ireo komity avy ao amin’ny fokontany.

Ny biraom-pokontany no birao akaiky ny mponina indrindra, ary miainga ao avokoa ny fampandehana raharaha eny ifotony sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay. Mendrika ny foto-drafitr’asa manara-penitra ihany koa izy ireny araka izany, ary tokony hirindra sy hivoatra arak’izay ihany koa ny fampandehan-draharaha isan-karazany ao anatiny.

Manitra R.

Laisser un commentaire