Ambohimangakely : Ankizy miisa 350 nisitraka ny « cantine scolaire »
Ankizy miisa 350 no nampiasakafoanana nandritra ny fizarana tao amin’ny « cantine scolaire » izay nokarakarain’ny kaominina Ambohimangakely sy ny « association Soa », fikambanana niara-niasa tamin’ny fanatontosana ny hetsika, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny tao amin’ny EPP Ambohimangakely no nisantarana izany, raha ny voalaza.
« Hetsika manohana ary tena ilain’ny mpianatra ety ifotony ny tahaka izao. Anisan’ny olana sedrain’ny mpianatra, indrindra hiaraha-mahalala ny fahasarotan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranan’ny ray amandreny, maro ny ankizy no tsy misakafo ara-dalàna intsony amin’ny andavan’andro » hoy i Sahondra, mpampianatra.
« Isaorana ny tomponandraikitra ny hetsika tahaka izao ary angatahana moa ny hitohizan’ny hetsika ary mba hanohana hatrany ny sekolim-panjakana, hijery ny fiainan’ireo ankizy, mba hatao maharitra ny cantine tahaka izao. Anisan’ny manala ny fahasahiran’ny ray amandreny izao no mampazoto ny mpianatra » hoy i Fidèle, mponina ao Ambohimangakely.
Hafaliana ho an’ny ankizy ny misakafo ary zo fototra tokony omena azy ireo tokoa izany. Raha jerena anefa ny zava-misy amin’izao, mihatsizarizary ny fisakafoanan’ny ankizy noho ny fahasahiranana. Mila atao ezaka ary tokony hiaraha-misalahy araka izany ny fanohanana ireo sekoly ahafahan’izy mampisitraka feno ny zon’ny ankizy. Mbola hitohy amin’ny sekoly hafa rehetra moa izao hetsika izao, raha ny voalaza.
Manitra R.
