ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Zazavavy kely 4 taona no maty lanin’ny alika

Zazavavy kely 4 taona antsoina hoe Alice Stones no maty lanin’ny alika rehefa nilalao tao an-jaridainany. Tao Milton Keynes, Buckinghamshire no niseho io tranga io manodidina ny 5 ora hariva teo.

Marihana fa alikan’io fianakaviana io ihany no nanaikitra an’i Alice Stones. Karazana alina « pitbull croisé husky » no nanaikitra azy tamin’ny faritra maro tamin’ny vatany. Rehefa tonga tao amin’ny toerana snisehoan’ny loza kosa ireo manam-pahefana dia voatery namono ilay alika. Nnetina teny amin’ny hopitaly avy hatrany kosa ilay zazavavy kely saingy tsy tana ny ainy.

Tsara kosa raha hambenana hatrany ny zaza hoy ny mpiray vodirindran’io fianakaviana niaram-boina io. Nahare hikiaka mafy sy antsoantso ny tenany tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza raha ny fanazavany.

Laisser un commentaire