Fitaterana : Tsy misy atahorana intsony ny fanambohana ny asa fanamboarana ny TPC
Efa tsy misy ahiana intsony amin’izao fotoana ny fanombohana ny asa fanamboarana ny « Transport par câble » na ny TPC satria efa nankatoavin’ny Banky Foibe ny famoahana ny ampaham-bola voalohany hananganana ny zotra volomboasary (ligne orange). Izany lalana izany dia hampitohy an’ny Anosy hatrany Ambatobe.
« Efa tonga eto amintsika ny andrimby lehibe sy ny fototra hananganana ny fiantsonana. Efa miandry ny fandesana azy fotsiny ksoa sisa ireo fampitaovana ilaina amin’ny tobim-piantsonana na ny gara sy ireo andrimby miisa 7 hampiasaina eo anelanelan’ny fiantsonana Anosy sy Soarano. Etsy andaniny dia andlam-pamitana ny « cabine » izay hitondra ireo mpandeha ary halefa aty Madagasikara vantany vao vita », hoy ny avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana.
« Maika loatra isika. Ny tanjona mety hoe hampihena ny fitohanana ary tena ilaina. Tsy aleo ve anefa aloha ny lalana ratsy sy simba indrindra eto andrenivohitra eto no amboarina. Mety tsy handrava tanteraka ny fitohanana fa hampihena anefa. Toy izany ihany koa io « télépheriques » io raha ny fahitako azy. Tsy vahaolana tena ngeza be fa haitraitra fotsiny. Efa misy ny asa natomboka mahakasika azy io kanefa mbola azo atao ny mijery ny laharam-pahamehana aloha», hoy i David tamin’ny fanehoan-keviny.
Raha tsiahivina ny asa efa vita sy efa mandeha amin’izao fotoana izao dia ny mahakasika ny fanamboarana ireo gara indrindra ny eo Anosy. Eo ihany koa ny famindrana ireo fantsona mitondra herinaratra sy ny fanapahana hazo isan-karazany. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanapahana ny zotran’ireo « taxi-be » eo Soarano hahafahana mametraka ireo andrimby ireo. Ilaina ny fitaterana saingy mbola ilaina lavitra noho izany ihany koa ny mahakasika ny fampisakafoanana ny Malagasy maro an’isa.
Miora Raharisolo
