France : Renim-pianakaviana iray no voarohirohy ho namono ny zanany 7 taona
Zazavavy kely 7 taona no hita faty tao an-tranony tao Saint-Loup ny alarobia teo raha ny tatitry ny mpampanoa lalàna ao Cusset, Eric Neveu. Voatsatok’antsy io zazavavy io raha ny fanamafisany ary tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpamonjy voina tao amin’ny toerana nisehoan’ny loza dia efa tsy niaina intsony io zaza io.
Anisany voarohirohy voalohany amin’io raharaha io ny renin’ilay zazavavy. Vehivavy 28 taona izay nikasa namono tena taorian’ny namonoany ny zanany. Raha ny petra-kevitr’ireo manam-pahefana dia « homicide par ascendant » ny zava-nisy tao amin’io tokantrano io ary nanokatra fanadihadiana momba izany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny brigady ao Vichy.
Mbola eny amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay renim-pianakaviana saingy rehefa mivoaka izy dia ho tanana am-ponja vonjimaika avy hatrany. Heverina kosa fa ny tsy fahazakan’io renim-pianakaviana io ny fisarahany tamin’ny vadiny no anton’izao famonoana ny olona izao.
