Fandriam-pahalemana : Mpitaona entana miisa 2 teo anivon’ny seranam-piara-manidina Ivato naiditra amponja.
Dépêche 02 février, 14h, Mpitaona entana eo anivon’ny seranam-piara-manidina Ivato miisa 2 no naiditra amponja noho ny fangalarana entan’ny mpandeha. Nametraka fitoriana tamin’ny zandarimaria ny kompaniam-pitaterana nandehanan’ny olona iray niaraka tamin’ny porofo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tratra ireo mpiasa roa mpikirakira sy mpibata entana ho tompon’antoka tamin’izao halatra izao. Efa natolotra ny fitsarana izy ireo ny 31 janoary 2023, ka avy hatrany dia naiditra amponja.
