Mayotte : Hanomboka rahampitso ny fanisana mponina
Raha ny tatitry ny Insee dia manodidina ny 310 000 mponina no voaisa tao Mayotte hatramin’ny 1 janoary 2023 teo. Niakatra 10 000 isa izany antontan’isa izany raha noharina ny tamin’ny taon-dasa teo amin’io vanim-potoana io ihany.
Hisy kosa ny fanisana mponina vaovao manomboka ny 2 febroary hatramin’ny 11 martsa izao raha ny fanazavana. Tanjona amin’izany ny fametrahana ny isan’ny mponina amin’ny fomba ofisialy isaky ny kaominina sy ny fanavaozana ny ita « socio-démographique » ny mponina sy ny fonenana.
Kaominina 11 noho izany no ho voakasik’io fanisana io : Mstamboro, Bandraboua, Bandrélé, Dembéni, Dzaoudzi, Koungou, Mamoudzou, Ouangani, Pamandzi, Sada ary Tsingoni. Tokatrano 10 250 isa no ho hanadihady mandritra izany.
