SocialTsidika

Tokony hohenoina ny tanora eo amin’ny fanehoan-keviny.

Reharehan’ny firenena malagasy ny fanànana tanora mandray andraikitra sy sahy. Ny tanora ihany koa mantsy no hoavin’ny firenena. Andrin’ny taranaka any aoriana, ary tsy afa-miala manoloana ny raharaha politika. Efa misy amin’izy ireny no miditra anatin’ny antoko politika samihafa, ao ny anaty fikambanana ara-tsosialy sy ara-teknika. Tsy vitsy ihany koa ireo milatsaka an-tsitrapo manohana sy manampy raha ilaina izany. Misy amin’izy ireny no maneho hevitra manoloana ny raharaham-renena. Tsy miditra matetika amin’ny raharaha politika anefa ny ankamaroan’izy ireny, fa saingy kosa maneho hevitra sy mitondra vahaolana rehefa misy ny tokony hamoahana izany. Anjaran’ny olom-pirenena tsirairay avy ny mihaino na tsia azy ireny. Miankina ihany koa amin’ny faharesen-dahatry sy safidin’ny olona tsirairay no hanarahana ny voalazan’ny fanehoan-kevitra na tsia. Nanao antso amin’ny vahoaka Malagasy ny teo anivon’ny tanora Malagasy Mijoro na TMM fa mila tony isika manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mila manaraka ny lamina napetraky ny fitondrana ihany koa hoy izy ireo ny mpanohatra. Nilaza ny fomba fijeriny eo amin’ny governemanta ihany koa izy ireo, ka nilaza fa misy amin’ny mpikambana eo amin’ny governemanta sasany no tsy mitovy vina akory amin’ny mpitondra fanjakana. Nanome hevitra ny filoham-pirenena ny amin’ny hanoloana ny sasany eo amin’izy ireo ihany koa ny TMM. Tsy izy ireo ihany fa maro no maneho hevitra mahakasika ny zava-misy ankehitriny ka anjaran’ny mpitondra fanjakana sy ny olom-pirenena no mihaino azy ireny. Mitondra fandrosoana ihany koa ny fanomezana sehatra ny tanora.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire