Fifidianana : Tokony eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra 2023 ny tetiandrom-pifidianana
Hatreto dia mbola tsy nisy ny daty nivoaka mahakasika ny androm-pifidianana. Araka ny lalam-panorenana andiny47 dia tokony 30andro farafahakeliny ka 60andro farahatarany mialohan’ny fahataoeran’ny fotoam-pitondran’ny Mpitondra eo an-toerana. Ka io fe-potoana nomena io dia mifandray amin’io lalam-panorena io ihany.
« Tsy mbola ofisialy araka izany io daty io noho ny fiafaran’ny fitondran’ny Filoham-pirenena ankehitriny izay mifarana ny 19 janoary 2024 satria ny 19 janoary 2019 izy no nandray ny fitondrana. Mbola misy ny fifampiresahana isan-karazany eo anivon’ny tompon’andraikitra rehetra sy ny avy eo amin’ny Governemanta », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CENI
« Mety hivoaka ny daty fa mety maro no mbola tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana izay ilaina fanentanana mahery vaika. Manana adidy amin’izany avokoa mantsy ny olom-pirenena rehetra ampy taona ka tokony hisoratra anaty lisi-pifidianana ny anarny tsirairay », hoy i Mathieu, mpanisa mpifidy iray.
Tokony ho fantatra mialoha ity daty ity hahafahana manao ny fanentanana any anivon’ny haino aman-jery sy ny gazety sy ny fomba hafa rehetra eny satria raha tsy ampy ny fanentanana dia ho vitsy ny mpifidy izay mety hiantraika amin’ny voka-pifidianana izany.
Miora Raharisolo
