Hitondra fiovana tokoa ve ny tatitra nataon’ny mpanohitra ?
Natahorana hiteraka korontana eto amin’ny tany sy ny firenena ny hetsika tian’ireo Solombavambahoaka avy amin’ny vondron’ny mpanohitra natao. Niezahana nosakanana izany noho izay tahotra izay kanefa nandeha teny ny fangatahana sy ny filaza fa tsy hisy ny korotana. Tontosa araka izany ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka ny sabotsy 06 martsa lasa teo. Tsy nisy ny korotana fa nilamina tsara ny tontolo andro ary tsy nisy ny sakatsakana. Nivezivezy teny amin’ny manodidina ihany anefa ny mpitandro filaminana. Hisoroka ny mety hisian’ny mpararaotra no nidinany teny hoy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Niova tsy toy ny sabotsy roa lasa nisesy ny fihetsik’izy ireo araka izany fa nanome vahana ny fanaovana tatitra tanteraka. Nahatsapa fa tsy nety ve ny nataony teo aloha no tena antony sa noho ilay fangatahan-dalana natao ? Tsy nisy tahotra ihany koa tamin’ireo vahoaka mpanatrika fa niaina tsara ny tontolo andro izy ireo. Hilaza hanao ny hetsika ihany koa ireo avy ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM aorian’izao. Tsy maintsy mitohy ny tolona ho an’ny firenena raha tiana mba handroso tokoa i Madagasikara. Noresahina nandritra ity tatitra ity manko ny tsy fahalalahana maneho hevitra eto amintsika kanefa tena ilaina ny feon’ny vahoaka. Teo ihany koa ny fitanisana ireo lesoka ataon’ny antenimieram-pirenena amin’ny fandaniana ny tet-bolam-panjakana. Inona no mety hiseho aorian’izao ? Inona ihany koa no mety hetsika ataon’ny fitondrana manoloana izany tatitra izany ? Hisy tokoa ve ny fiovana eto amintsika ?
Nicole Rafalimananjara
