SocialTatitra

Myanmar : Manatanteraka fivoriana mikaton-trano ny ONU

Mivory mahakasika ny raharaha ao Birmanie ny eo anivon’ny firenena mikambana manomboka ny zoma 5 martsa any New york. Niroso tamin’ny fandinihana ny zava-misy any an-toerana ny eo anivon’ny Organisation des Nations Unis na ONU, taorian’ny antso avo nataon’ny firenena samihafa mahakasika ny hanatsaharana ny ady any. Hodinihana amin’izany ny mahakasika ny fahafahatesan’ny olona sy sivily maro any an-toerana ankehitriny. Tsiahivina mantsy fa efa amanjatony ny olona maty any an-toerana ankehitriny. Saiky manerana ny renivohi-paritany no ahitana izany. Milaza ny solotena eo anivon’ny firenena mikambana fa tsy misy intsony ny fanajàna ny zo maha olombelona any an-toerana. Manampy izany ihany koa ny fahapotehana maro hita any an-toerana ankehitriny. “Voatery hiditra amin’ny zava-misy ao Birmanie izahay, ary hisy ny fepetra manokana tsy maintsy horaisina” hoy hatrany ny solotena maharitry ny firenena mikambana. Tsy manaja intsony ny demokrasia ihany koa ny tafika ao an-toerana ankehitriny.

Laisser un commentaire