ActualitésTatitra

Comores : Tafiakatra ho jeneraly ny lehiben’ny etamajoro Youssouf Idjihadi

Nampiakarin’ny filoham-pirenen’i Comores Azali Assoumani, jeneraly ny brigady ny And (armée nationale de développement) ny kolonely Youssouf Idjihadi ny 4 janoary teo. Notontosaina nandritra ny fiarahabana fahatratrarana ny taom-baovao ho an’ny mpitandro ny filaminana sy ny fiarovana tao amin’ny toby miaramila Kandaani izany.

Nanararaotra niarahaba ny asa sy ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny firenena ihany koa ny filoha izay lehiben’ny tafika faratampony nandritra io fotoana io. Nanolo-kevitra azy ireo ny hamboly fifampitokisana amin’ny olom-pirenena sy hanao hetsika ara-tsosialy ihany koa i Azali Assoumani tao anatin’izany.

Laisser un commentaire