Japon : Mitohy hatrany ireo fepetra famerana amin’ny fivezivezena amin’ny alina.
Mbola hampitomboina tapa-bolana indray ny famerana amin’ny fivezivezena amin’ny alina ao Japon, manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus. Voafetra ho amin’ny 8 ora alina hatrany ny faran’ny fivohan’ireo toeram-pisakafoana sy ireo toeram-pisotroana rehatra tsy ankanavaka amin’ny departemanta 6 ao Tokyo. Efa tamin’ny 28 febroary no nametrahana io fepetra io ary tokony ho tapitra ny alahady 7 martsa ho avy izao. Nohalavaina anefa izany entina mamehy hatrany ny fipariahan’ny valaretina coronavirus ao an-toerana. Hita ho nisy fiakarana ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina covid-19 ao Tokyo hoy ireo tompon’andraikitra tamin’ny AFP. Antony tena tsy maintsy nanohizana ny fepetra tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina hoy ireo tompon’andraikitra.
