France : Lehilahy iray nosamborin’ny polisy rehefa nanosika renim-pianakaviana nitrotro zaza tao an-tohatra
Lehilahy iray no nanosika renim-pianakaviana teo amin’ny tohatra mekanika ny gara tao Hanrdricourt, ao Yvelines. Nikasa nidina ny tohatra io renim-pianakaviana no nitomany mafy ny zanany 5 taona, sosotra noho izany ity lehilahy 35 taona taoriany ka nanosika azy mianaka teo amin’ny tohatra.
Tohina manoloana ny zava-nisy ireo mpandeha hafa ny tohatra ka niazona io lehilahy io nandrapaha-tonga ny manam-pahefana. Marihana fa tsy nila fitsaboana be ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Ilay lehilahy kosa dia efa ho ampelatanan’ny manam-pahefana.
