Sabotsy Namehana : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanomezana ny sora-pahaterahana sy kara-panondrom-pirenena maimaim-poana
Tontosa tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana faobe tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Raha ny voalaza, izay hetsika fanomezana kopia izay no asa nentin’ny kaominina namarana ity taona ity.
« Olona mihoatra ny 18 taona miisa 67 no nahazo tombotsoa tamin’ny fanaovana kopia faobe sy karapanondrom-pirenena nandritra ny fanatontosana ny hetsika teto amin’ny kaominina. Ankoatra ireo, ankizy 103 ihany koa no nahazo sora-pahaterahana voalohany izay ho an’ny latsaky ny 18 taona » hoy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina.
« Ilain’ny rehetra mihitsy ny hetsika tahaka izao. Mbola maro ireo olona eny ifotony no tsy manana ny kopia sy ny karapanondro ka tonga entanina hatrany sy hanaovana fampafahantarana » hoy i Vony, mponina ao Sabotsy Namehana.
Ahafantarana ny maha olom-pirenena ny fananana ny sora-pahaterahana sy ny karapanondrom-pirenena. Ilaina araka izany ny manentana sy mampafantatra ny mahazava-dehibe izany, indrindra ny fahafahana manatanteraka adidy amin’ny maha olom-pirenena.
Manitra Ramanantsoa
