ActualitésTsidika

Teknolojia : Hanolotra fampiofanana mahakasika ny informatika ny ny IFC

Fiaraha-miasan’ny International Finance Corporation (IFC) sy ny Ministeran’ny Paositra sy ny fampitan-davitra ity tetik’asa fampidirirana ny teknolojianho andry ampiasaina anaty orinasa sy amin’ny sehatry ny fianarana ity.

« Tanjona lehibe ny mba hahafahan’ny rehetra manana fahaizana mahakasika ny teknolojia sy ny informatika izay mety manokana ho an’ny firenana iray. Miarta-miasa indrindra izahay amin’ny Governemanta Malagasy hahafahana mijery sy mitily ny tena filàn’ny mponina manodidina ny teknolojia sy ny informatika. Izany mba hahafahana mamaritra ny programam-pampianarana hatolotra azy ireo », hoy ny avy ao amin’ny IFC izay mpikarakara ny tetik’asa.

« Olona miisa 6000 no kasaina ho tratrarina hotolorana ny fampiofanana dia ao ireo mpiasa min’ny sehatra miankina sy ny tsy miankina ary ireo tanora. Haharitra roa taona ny fampiofanana izay hahafahan’ireo mpiofana hahay ny fampandehanana sy famoronana rindra-kajy, ny « architecture en nuage », ny « ingénierie des données » ary ny « cybersécurité ». Tanjona lehibe indrindra ny hanatrarana ny tanjona mahakasika ny fanovana ara-nomerika eto Madagasikara », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fampitan-davitra.

« Tsara ny fampiofanana, tsy tokony hisy intsony tokoa mantsy ny olona sahirana amin’ny tontolon’ny informatika ka ilaina be ity fampiofanana ity. Ny tenako manokana aloha hiofana raha tonga aty aminay ny tetik’asa satria sady mampitombo fahaizana no mety vetivety dia ahita asa ihany koa », hoy i Hervé, mpianatra ao amin’ny Lycée Ambatolampy.

Efa tsy afa-miala intsony amin’ny atao hoe teknolojia ankehitriny ka izany indrindra no antony hanolorana ny fampiofanana. Ireo olona 6000 hahazo ny fampiofanana ireo ihany koa rehefa mahavita ny fiofanany dia afaka mitondra izany eny anivon’ny tontolo misy azy mba hanampy ireon manodidina. Ilaina ny fahaizana ny informatika amin’izao taon-jato faha XXI izao ary tena tsy azo ialana intsony mihitsy ny firoboroboany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire