ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mpitaiza zaza iray no namono zaza 5 taona rehefa namany am-pandriana izy

Niaiky heloka i Laurren Jeanette Courtney mba nialana tamin’ny fanamelohana mandra-pahafaty. Raha tsiahivina dia tovovavy mpiandry zaza (baby-sitter) io vehivavy io. Niandry an’i Ryan James Peralto, zazalahy 5 taona tao an-tranony tao Las Vegas izy. Namàny am-pandriana nefa io zazalahy kely io ka tezitra i Laurren Jeanette Courtney, manoloana izany dia novonoiny sy nodakany teo amin’ny lohany nandritra ny antsasak’adiny teo i Ryan James Peralto.

Ora iray taty aoriana vao niantso ny ray aman-drenin’ny zazalahy io vehivavy io rehefa nanomboka nando rà ilay zaza. Nentina teny amin’ny hopitaly avy hatrany i Ryan James Peralto taorian’izany saigny maty ny ampitso. Nisy horonantsary naneho ny vono nataon’i Laurren Jeanette Courtney tamin’io zazalahy io izay nasehon’ny mpitsara Jacqueline Bluth nandritra ny fitsarana azy. Ampy nanagadrana an’io vehivavy io mandrapaha-faty izany horonantsary izany saingy nahay nifampiraharaha ny mpisolovavan’ilay vehivavy.

Manoloana izany dia 20 taona an-tranomaizana no sazy azon’i Laurren Jeanette Courtney.

Laisser un commentaire