Comores : Mitohy ny tsenam-barotra faharoa
Nanomboka ny herinandro lasa teo ary haharitra 10 andro ny tsenam-barotra ho an’ny vokatra sy ny tolotra hiarahan’i Tanzanie sy Comores. Raha tsiahivina dia nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny talata 13 desambra teo izany ary natronona olom-panjakana maro. Anisan’izany ny governoran’ny nosy Mtwara ao Tanzanie sy ny minisitry ny fambolena ao Comores, Houmed M’saidie ary ny Kolonely Ahmed Abbas Ahmed, solontenan’ny antenimieran’ny varotra ao Ngazidja.
Ny masoivohon’ny repoblika mikamban’i Tanzanie ao Comores, Preira Ame Silima ihany dia anisany mpiara miombon’antoka amin’ny fikarakarana io hetsika io. Nanazava ny talem-paritry ny Cccia-Ngazidja, fa tanjon’ny Uccia amin’io hetsika io ny fiaraha-miasa ara-stratejia sy ara-bola amin’i Comores ahafahana mamarotra ny vokany ao Tanzanie sy ny ahafahan’i Tanzanie mamarotra ny vokany ao Comores.
