Comores : Nanao sonia fiaraha-miasa ny Anrtic sy ny mpiasan’ny fadin-tseranana
Nanao sonia fiaraha-miasa ny Anrtic (Autorité nationale de régulation des tics) sy ny mpiasan’ny fadin-tseranana ho an’ny fisafoana ary indrindra ho an’ny fanajana ny fitaovana sy ny fitaovana elektronika hafa izay nafarana tamin’ny fitsipika iraisam-pirenena. Hisy ny komity hohatsangan’ny roa tonta hanaraka io fifanarahana io raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Efa tamin’ny fotoana nitantanan’i Kamalidini Souef ny fadin-tseranana tao Comores novolavolaina io tetikasa io hoy ny mpisolo toerana azy, Moustoifa Hassani Mohamed. Tanjon’io fiaraha-miasa io ny fiadiana amin’ny fitaovana sandoka sy tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena hoy io tale jeneran’ny fadin-tseranana io.
