ActualitésTsidika

Jirama : Nitombo ny isan’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny orinasa.

Taorian’ny olana maro nitranga tao anivon’ity orinasam-panjakana ity sy ny fampidirana am-ponja ireo tompon’andraikitra sasany dia efa nisolo izy ireo ankehitriny hahafahana mampandroso ny asa hatrany. Nosoloina ary nampitomboina ny isan’ireo tompon’andraikitra ireo raha ny tatitra avy amin’ny filan-kevitra.

« Tanjona tamin’ity fanovana lehibe ity dia hahafahana manarina haingana araka izay azo atao ny olana sy ny fahasimbana teo amin’ny fitantanana sy ny mahakasika ny oalana ara-bolan’ny orinasa hatrizay », hoy ny solontenan’ireo Filan-kevitra.

« Raha ny fijeriko azy aloha raha mbola ireo olona efa teo foana ireo ihany no hatao mitanatana ity orinasa ity dia vao mainka hitotongana izy io. Vahaolana mety ihany koa anefa raha omena tantanan’ny orinasa Malagasy tsy miankina izy mba hahatomombana ny asa sy hialana amin’ity fahatapahan-jiro sy rano lavareny ity», hoy Naina, mponina Andramasina, toerana hisehoan’ny tsy fisian-drano matetika.

Raha tsiahivina dia voan’ny Covid-19 ny tale mpisolo toerana ity orinasa ity ka nangataka izy ny mba hitohizan’ny fanarenany ny ainy hatramin’ny faran’ny volana janoary 2023, nankatoavina moa izany fangatahany izany teo anatrehan’ny filan-kevitry ny orinasa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire