ActualitésTsidika

Fanatanjahan-tena : Handray ny andiany faha10 amin’ny JIOI i Madagasikara, nivoaka ny daty.

Nivoaka ny daty izay hanaovana ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indianina izay hatao eto Madagasikara fa ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023 izao izany no hatao ao Antananarivo, Toamasina, Mahajanga ary Taolagnaro sy Sainte Marie.

« Mbola tsy nivoaka ny tetiandron’ny lalao rehetra fa mbola vao mivory ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny nosy mahakasika ny fanomanana izany. Firenena miisa 7 izahay no miara-misalahy manomana ny fahatomombanan’izany lalao izany », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, Filohan’ny Komity Olimpika Malagasy.

« Manaraka ny fenitra sy ireo izay takian’ny filan-kevitra ny foto-drafitr’asa misy eto amintsika ka tsy tokony ho olana tsy handraisana ny lalao izany ary ireo fototra izay vao nahorina kosa dia vinavinaina ho vita alohan’ny fotoana hanaovana ny lalao», hoy hatrany ny fanazavana.

« Fotoana iray hahafahana mampiseho ny fahaiza-manaon’ireo atleta sy mpanao fanatanjahan-tena isan-karazany ity. Fotoana iray fanararaotra ihany koa ho an’ireo tanora izay liana te hianatra sy hivoatra any amin’ny sehatra mlatihanina », hoy i Marianna, mpitarika ekipa mpanao baolina kitra iray.

Marihina fa tsy maintsy hisy ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra mba hahafahana manomana azy ireo na bara-tsaina izany na ara-batana. Mety hisy ny fiarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any ivelany amin’ity sehatra ity ihany koa hanampy ireo tanora ireo. Dieny izao dia efa mila tohanana sahady ireo ankizy sy tanora mety handray anjara amin’izany fa hisolo tena ny Malagasy rehetra izy ireo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire